<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>German song</author>
<lyrics>[V1]
 Misy ny fonenana
 Vita re, ho ahy,
 Tany ifaliana,
 Mamin'ny fanahy ;
 Ao, tsy misy tahotra,
 Ao ny Tompon'avotra,
 Hira mahafinaritra
 No ataon'ny any.

[V2]
 Saotra no hataoko ao,
 Faly fa nandresy ;
 Hiakanjo fotsy vao,
 Haingon'ny mpandresy.
 Ny anjely masina
 Hiaraha-monina,
 Jeso Tompo marina
 Hiampofo ahy.

[V3]
 Izaho voavidinao,
 Ry Mpamonjy tsara,
 Sady namboaranao
 Lova tsara fara.
 Koa mba arovinao
 Toy ny ondrikelinao
 Izaho izay fanananao
 Ry Mpiandry Tsara !</lyrics>
<title>Misy ny fonenana FFPM802</title>
<hymn_number>802</hymn_number>
</song>